Nitrangana haintrano mahatsiravina teo Analakely, boriborintany voalohany, ny sabotsy 11 janoary maraina teo. Vao mangiran-dratsy, nidonan-tsetroka ka vetivety nivadika afo. Naharay antso ny avy eo anivon’ny Vondron’ny mpamonjy voina tamin’ny 3 ora maraina sy 14 minitra maraina. Nirehitra ny trano lehibe iray eo Analakely, anoloan’ny Lycée J J Rabearivelo. Telo minitra, nigadona teny an-toerana ny mpamonjy voina. Trano gasy roa misy rihana 2 hotohoton’ny afo. Azon’ ny afo koa, ny trano fiasan’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony tsy lavitra teo. Lasibatra ny tobin’entana an’ny tsenambarotra Magasin U. Olona roa naratra ka nentina anivon’ny toeram-pitsaboana. Olona 12 afa-nivoaka soa aman-tsara tamin’ireo toerana nitrangan’ny voina. Na izany aza, goavana ny fahavoazana. Nananosarotra ny fifehezana ny afo satria fiara efatra no nampiasaina vao nahafaty ny afo. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny PDS an’Antananarivo Renivohitra nankahery ireo niharam-boina. Marihina, vanim-potoana matetika hitrangan’ny haintrano izao ka mila mailo sy malina ny tsirairay.
Tsiferana R.