Nampiasain’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Tahirim-pirenena vonjy taitra (fonds d’urgence) taorian’ny lozam-pifamoivoizana tao amin’ny kaominina Iarintsena, hameaux Ambaiboho, Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo. Ny tolakandro no nitranga ny loza ka 12 ireo naratra mafy, noraisina maimaimpoana tamin’ny alalan’ny “kit d’urgence” tao amin’ny CHRD Ambalavao. 18 hafa notsaboina teny an-toerana nampiasana ny fitaovana vonjy taitra “kit d’urgence”. Telo naratra mafy ka nalefa tamin’ny ambulance ao amin’ny hopitaly CHU Tambohobe Fianarantsoa, izay misitraka ny fandraisana an-tanana maimaimpoana, amin’ny alalan’ireo “premiers soin d’urgence” ireo ihany koa. Voalaza fa olona 2 no namoy ny ainy. Ireo ezaka ireo dia manamporofo ny maha zava-dehibe ny fonds d’urgence, ho fiarovana ny vahoaka amin’ny loza tsy ampoizina, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra any an-toerana. Araka ny toromarika avy amin’ny filohan’ny Repoblika, hampiasaina ny fonds d’urgence, hahazoan’ny olona marary na tratran’ny loza fiahiana tsy misy fepetra ary hahafahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miasa haingana.
Efa nampiasaina koa ny fonds d’urgence nandritra ny loza niseho tamin’ny taksiborosy ho any Ambohimahasoa, ny herinandro lasa teo, teo akaikin’ny Travaux eo Anjorozoroana.
Nisy ny naratra ka nandray andraikitra avy hatrany amin’ ny fandraisana an-tanana maimaimpoana ny fitsaboana azy ireo ao amin’ny CHU Tambohobe ny fanjakana hampihenana ny vesatra nahazo ireo fianakaviana nanana maratra.
Vonjy