Naneho ny heviny momba ny toe-draharaham-pirenena ny depiote Rakotoarisoa Fetra. Tsy resy lahatra amin’ny fanakorontanana ny vahoaka, araka ny nambarany.
«Tsy tokony holalaovina hoe : «izahay te hiditra, fa ianareo no manakana». Fa ny tena marina, ny vahoaka malagasy no tsy resy lahatra intsony amin’izany asa fanakorontanana atao eto amin’ny firenena izany». Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Miarinarivo tamin’ny anaran’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Rakotondrasoa Fetra, ny amin’ny fangatahan’ny mpanohitra sasany hidina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey noho ny tsy fanekena ny valim-pifidianana. Raha tena vahoaka no entin’ny fanoherana, tafiditra ao amin’ny kianjan’ny 13 mey izy. Fa ny zava-misy: tsy hetsi-bahoaka fa hetsika olona 11, raha ny tamin’ny hetsika Fotsy nataon’ny kandidà 11 (C11) tamin’ny 2023. Izao indray, miverina ny tantara aorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna: hamerina an’izay hoe fangatahana fidirana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. Aminy, fanakorontanana izany.
Raha ohatra izany ny vahaolana hitan’ny vahoaka malagasy ankehitriny, ny amin’ny hampandrosoana ny firenena sy hialana amin’ny fahasahiranana lalina mianjady, tsy mila mangataka akory ny mpanohitra fa ny vahoaka no hiditra eny araka izay hetahetany izay. Nefa inoany fa tsy any no heverin’ny vahoaka fa laharam-pahamehana sy vahaolana manoloana ny raharaham-pirenena. Satria raha izay no vahaolana, efa tamin’ny taon-dasa ny vahoaka no efa niditra teny kianjan’ny 13 mey.
R. Nd.