Nambaran’ireo kandidà ben’ny Tanàna avy amin’ny Tim sy ny Firaisankina fa mitsipaka sy tsy hankato ary tsy hanaiky ny voka-pifidianana azo tamin’ny alalan’ny hosoka sy ny halatra manerana ny kaominina maro izy ireo. “Miantso ny kandidà rehetra sy ny antoko politika ary ny olom-pirenena izahay mba hitsangana sy hifanatona haingana ary hanambatra hery manoloana izao famotehana ny demokrasia izao”, hoy ny fanambarana nataon’ny solontenan’izy ireo, ny kandidà Razafimanantany Faniry, tetsy Bel Air, ny sabotsy teo. Nanterin’izy ireo fa tsy maintsy hijoro sy handray andraikitra izy ireo ary hitady ny fomba rehetra hamoahana ny safidim-bahoaka marina. Takin’izy ireo koa ny hamoahana ny kopian’ny “Ordonnances” nandrafetana ny lisi-pifidianana.
Etsy andaniny, notakin’ireo kandidà Tim koa ny hamoahana ny solontenan’izy ireo teo anivon’ny Ceni. “Nosamborina ary any am-ponja noho ny antony tsy mitombina momba ny tranonkalan’ny Ceni izy”, hoy izy ireo.
Tsipahin’izy ireo ny fanitsakitsahana ny lalàna sy ny fanaovana tsinontsinona ny safidim-bahoaka. Eo koa ny ambaran’izy ireo fa fihantsiana ny vahoaka manoloana ny zava-misy. Tsy azo antenaina intsony ny fifandimbiasam-pitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana, araka ny fanambarana hatrany. “Fanjakana mpampihorohoro ny eto ary miroso any amin’ny fanjakan’olon-tokana sy fitondrana tsy refesi-mandidy isika izao”, hoy izy ireo.
Synèse R.