Fambolena ho an’ny taona 2025: hampitomboina 1 tapitrisa taonina ny famokarana vary akotry

Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hampiroborobo ny sehatra voalohany. Maherin’ny 7,8% ny taham-piakarana andrasana ka ho maherin’ny 9,5% ny sehatry ny fambolena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny famokarana vary akotry hatrany amin’ny 1 tapitrisa taonina.

Entina hanatanterahana izany ny fampirobo­ro­boana ny teknika « PFUMVUDZA » izay mita­hiry hamandoan’ny tany. Ho ampiasaina eto amintsika ihany koa ny masombolina vary safiotra (riz hybride) avy any Sina izay hampiakatra hatrany amin’ny 8 taonina (t) isaky ny hektara ny famoka­rana.
Ankoatra izay, hampaka­rina hatrany amin’ny 406 000 t ihany koa ny katsaka amin’ity taona ity raha toa ka 306 000 t izany tamin’ny taon-dasa. Izany hoe, ho maherin’ny 32,7% ny vokatra ho azo. Hihoatra ny 6,4% ny famokarana mangahazo ho amin’ity taona ity, izany hoe, hahatratra hatrany amin’ny 3 636 000 t ny vokatra raha 3 417 000 t izany ny taona 2024.

Jono

Vina napetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga ny hampiakatra maherin’ny 8,9% ny vokatra ho amin’ ity taona ity. Noho izany, hahatratra hatrany amin’ny 220 000 t ny vokatra andrasana raha toa ka 202 000 t monja izany tamin’ ny taon-dasa. Mandray anjara feno amin’ny fampiroboro­boana ny harinkarena faobe ny jono noho izy kitro ifaharan’ny fampandrosoana. Mamelona sy mampidi-bola ho ana tokantrano maro izy sady manome asa ho an’ny daholobe ary koa mampiroborobo ny toekarena manga. Ny taona 2024, miisa 121 ny fahazoan-dalàna nomen’ny minisitera.
Tombanana ho maherin’ny 5% ny fiakaran’ny harinkarena faobe ho an’ny taona 2025, araka ny vina napetraky ny fitondram-panjakana. Hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny sehatry ny fambolena sy ireo fanavaozana samihafa napetraka amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Eo koa ny fanalalahana ny sehatry ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny fizahantany.

 

Henintsoa Hani

Partager sur: