Efa tafiditra anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tsy misy mpilaravinahitra, ny Barea de Madagascar. Araka ny vaovao voaray, omaly, lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony, tany Fianarantsoa.
Nahazo vokatra tsara ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony. Azo lazaina fa nahitana fahombiazana ihany ny fiantsoana ireo mpilalao vaovao, satria ny baolina tafiditr’i Fanomezantsoa Tsilavina na i Drogba, ny 25 min, sy i Onja kely, ny 90+4 min, no nitondra fandresena ho an’ity ekipa nasionalin’ny Barea ity.
Na dia nandresy aza ny Barea, mbola hitan’ireo mpijery tao an-toerana ho lesoka ho azy ireo ihany ny tsy fahaizana mamarana ny fanafihana. Tsiahivina fa natao hanomanana ny “Chan 2024”, izay hatao any Kenya, Tanzania ary Ounganda ity fihaonana ity. Mbola manana lalao fitsapana iray, hotontosaina eto an-tanindrazana ny Barea izay tarihin-dRakotondrabe Romuald Felix, na Coach Rôrô.
Ny sabotsy 18 janoary ho avy izao, any Manakara, hikatroka amin’ny ekipa voafantin’i Vatovavy sy Fitovinany izy ireo. Efa nomarihin’ ny mpanazatra ny Barea hatrany, fa raha misy mpilalao mahafeno fepetra ka hita fa tsara amin’ireo ekipa hifanandrinana dia ho antsoina ihany koa. Aorian’ity fitsapana farany ity, hivoaka ny anaran’ireo mpilalao 25 hiatrika ny “Chan 2024”, raha tsy misy ny fiovana farany.
Ankoatra izay, hotanterahina any Kenya, ny alarobia ho avy izao, ny antsapaka hahafantarana ireo firenena hiray vondrona mandritra ny Chan.
Fitia Randria