Voaporofo izao fa mandrebireby vahoaka ireo mpanohitra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, ny herinandro teo. “Nahoana ianareo kandidà Tim eto Antananarivo no tsy mangataka fampitahana ny voka-pifidianana eny amin’ ny Tribunal administratif- Taf fa mitabataba fotsiny”, hoy izy.
Hotsaraina, anio, etsy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) ny momba ny zotram-pifidianana teny Talata Volonondry. Nametraka fitoriana ireo kandidà Tim noho ny fandresena efa
azon’izy ireo, nanantombo vato miisa 26. Nivadika ho fandresen’ny kandidàn’ny Irmar anefa izany tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni.
Manamafy ny tsy fanekena ny fampidirana am-ponja an-dRandriamihoatra Jean Luce, voarohirohy ho niditra tao amin’ny “Site” an’ny Ceni, ny avy amin’ ny Tim. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Randriamasinoro Ny Riana, fa tokony hotsirihin’ny eo anivon’ny Pnud ny tranonkalan’ny Ceni, hamantarana sy hahitana fa nisy nanao hosoka na tsia izany.
Hatsaraina ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’i Madagasikara sy i Chine. Nisongadina izany tamin’ny fihaonanan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, sy ny masoivoho Sinoa, Ji Ping, ny zoma teo, teny Faravohitra. Fantatra, tamin’ izany, fa horafetina amin’ny alalan’ny volavolam-pifanarahana tsy ho ela izany.