Fiahiana ny maha olona: misy misandoka ny tetikasa “Tsimbina”

Mila mailo ny rehetra satria misy ny mpisoloky manararaotra ny fahasahiranan’ny mponina. Misy mivarotra “puce” fampiasa amin’ny finday izay tsy ara-dalàna amin’ny vidiny 2000 Ar ka milaza fa izay mividy izany “puce“ izany dia hahazo ilay tohana amin’ny tetikasa “Tsimbina”. “Fisolokiana izany”, hoy ny minisitry ny ny Mponina, Razafinjato Aurélie.
Ireo olona avy amin’ny fanjakana, manao gilet ara-dalàna ary miambozona “badge” famantarana manokana no manao fitsidihana tokantrano fa tsy tokony hanaiky fandrebirebena. Ireo komity any amin’ny fokontany dia tsy tokony hanao kiantranoantrano fa tena hijery ireo tena sahirana.
Tetikasan’ny filoham-pirenena natao hanampiana ireo tokantrano marefo amin’izao vanim-potoan’ny maitsoahitra izao ny tetikasa. Ho an’ny eto Antananarivo, ao anatin’ny fandoavana ny ampaham-bola voalohany mitentina 100 000 Ar amin’izao fotoana ny fanjakana. Mbola mandeha ihany koa anefa ny fifantenana ireo tokantrano hijerena ireo tena sahirana mila izany tohana izany.

Tatiana A

Partager sur: