«Coupe du monde des traiteurs» na «International catering cup» (ICC). Anisan’ ny tafakatra eo amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipa malagasy ahitana ny cheffe Fenosoa Rahajamalala (cheffe d’équipe), cheffe Bodo Rakotovao (coéquipier), coach Chef Lalaina ary Rocco Andriamiarisata (juré). Efa any Frantsa izy ireo hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « ICC » 2025, hotanterahina ny 23 janoary izao mandritra ny « Salon de la restauration, de l’hôtellerie et de l’alimentation » na ny Sirha.
Raha tsiahivina, efa nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena amin’ ny fahaiza-mahandro sy mikirakira momba ny sakafo ity ireto ekipa ireto. Laharana fahaefatra ry zareo tamin’izany. Ho an’ity taona 2025 ity kosa, anisan’ny vina hotratrarin’ireto solontenan’i Madagasikara ireto ny haka sy ho tafiditra ao amin’ny laharana 3 voalohany sy sangany maneran-tany.
Ho an’ity taona 2025 ity, mahatratra 10 mahery ireo ekipa avy any amin’ny firenena samihafa handray anjara. Misy amin’ireo no efa manana traikefa matanjaka sy fantatra eo amin’ny fikirakirana sakafo. Anisan’ireny i Japon, France, Etats-Unis, Italie, Maroc, Singapour, Chili, Mexique, Vietnam, Belgique, République Tchèque.
Fantatra fa mitohy hatrany ny fanazarantena ataon’ireto ekipa malagasy ireto ka omeny lanja amin’izany ny fampiasana ny akora hita any an-toerana.
HaRy Razafindrakoto