Nikisaka miankandrefana somary atsimo andrefana ilay rivodoza Dikeledi ka mahafaka 25 km isan’ora. Any an-dranomasina avokoa ny rahom-baratra mifandray mivantana aminy. Hiverina hitoetra ny oram-baratra, nanomboka omaly tolakandro, ka mety hanantombo ny rotsakorana amin’ny faritra avaratra andrefana. Hikorontana hatrany ny toetry ny andro an-dranomasina any amin’ny morontsiraka avaratra sy afovoany andrefan’ny Nosy.
Mbola mitoetra ny filazana loza manambana, miloko mavo, ho an’ny distrika Mahajanga I-II, Mitsinjo ary Soalala. Fahamailoana, miloko manga, kosa ny faritra Sava sy Diana, ny distrika Bealanana, Antsohihy, ary Analalava, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Besalampy tsy hiandriaka mandra-pahalasan’ny loza.
Efa nametraka tahirin-tsakafo ampy ho an’ny olona 250 amin’ny faritra avaratra ny BNGRC. Satria, nampiomana ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa ny tapany avaratra no handalovan’ny rivodoza amin’ity taom-pahavaratra ity. Hisorohana ny olana amin’ny fitaterana ireo sakafo ho an’ny traboina raha tapaka ny lalana no nandraisana ny fepetra.
Nanomboka ny herinandro teo ny fandraisana ireo nisoratra anarana amin’ny hetsika “Fijery hafa”, notontosaina tao Ambatondrazaka, ny 7 desambra 2024. Ny teny vahiny, Français, Anglais, Allemand no nanokatra izany ary hotanterahina isaky ny sabotsy mandritra ny 3 volana ny fiofanana. Mpampianatra miisa valo no handray an-tanana ireo mpiofana ireo.Hatomboka tsy ho ela koa ny fandraisana ireo seha-piofanana manaraka.