Karate any France: nandrombaka medaly alimo i Nombana

Nisongadina indray ny Malagasy tany France. Nan­drombaka ny medaly alimo nandritra ny fifanintsanana Karate, tany Paris, ny sabotsy lasa teo, Raveloarison Nom­bana, Malagasy mpikatroka, ao amin’ny klioba Shoshin Club Vannes France, sokajy seniors, -67 kg. Araka ny fanadihadiana natao taminy, ny katroka ady “kumite” ihany no natao tamin’io fifanintsanana io.
Marihina fa tafita hiatrika ny ligy rezionalin’i France i Nombana, ary raha mbola mahazo vokatra tsara izy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i France. Tamin’ireo fihaonana efatra natrehiny, faharesena iray teo amin’ny manasa-dalana ihany no lesoka ho azy. « Manana tombony lehibe avokoa ireo frantsay mpikatroka, tsara fanomanana izy ireo noho ny fotondrafitrasa aty an-toerana tsara sy efa matihanina tanteraka », hoy i Nombana, raha nilaza ny heviny mahakasika ny lentan’ireo frantsay.
Tsara ny mampahatsiahy fa nilalao karate tao amin’ny klioban’ny Akka Central Alarobia, ity Malagasy ity, taloha saingy tsy nanao fifaninanana teto Madagasikara mihitsy. Manana vina lehibe, i Nombana. “Tanjoko ny hiakatra ambony hatrany, ary hampitombo ny traikefa rehetra izay hananako”, raha ny fanambaran’ity Malagasy mi­la­ravinahitra any ivelany ity.

Fitia Randria

Partager sur: