KMF/Cnoe: « Aoka hohajaina ny lalàna… »

Nitondra ny heviny manoloana ny resabe tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Notsiahivin’izy ireo, tamin’izany, ny momba ny lalàna.

“Tsy mahagaga raha misy fifandroritana,
fa tsy mipetraka ny fomba famakiana ny lalàna”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo, ma­noloana ny mbola fisian’ny adihevitra ny amin’ny fakana ordonansa tamin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Tsy milaza vondron’olona amin’ny fangatahana ordonansa ny lalàna, fa ny tsirairay no mikarakara ny fangatahany ary mitondra izany eo anivon’ny Ceni, ahazoany misoratra anarana amin’ny lisi-pifidia­nana. Ny fitsarana aza no mam­pahalala amin’ny Ceni izay tsy maintsy hampidirina ao ana­tin’ny lisi-pifidianana. “Ny an­koatra an’izay, fanapahan-kevitra politika”, hoy izy. Raha fanapahan-kevitra politika, mazava ho azy fa rehefa tsy ahitana tombontsoa izay dia miteraka fifandroritana poli­tika.

Mampirisika hatrany ny mpanapa-kevitra eto amin’ny firenena mba hanaja ny lalàna sy ny toe-tsaina ananan’ny lalàna tsirairay ny fikambanana. Mba tsy hisian’ny fifandroritana politika lava izany. Mi­ainga amin’ireo nisoratra anarana tamin’ny lisi-pifidianana nefa tsy tafiditra ny fahazoana ordonansa. Ilay olom-pirenena no mandeha sy mitondra ny porofo eny amin’ny fitsarana fa tsy voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana izy ary hamoahan’ny fitsarana ordonansa. Mipetraka amin’izay fanajana lalàna izay ny fikambanana. Ny fandikan-dry zareo ny lalàna: tsy misy manana fahefana mikitika izany afa-tsy ny fitsarana. Izay nisoratra ka tsy tafiditra amin’ny lisi-pifidianana no mangataka ordonansa, ary arahina ny zotran’ny fikitihana ny lisi-pifidianana.

R. Nd.

Partager sur: