“Lalaon’ny CJSOI 2025”: taranja vaovao hifaninanana ny Beach soccer

Araka ny efa fantatra, hampiantrano ny andiany faha-13 amin’ny lalaon’ny Vaomieran’ny tanora sy ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025) i Seychelles. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 28 jolay ka hatramin’ny 10 aogositra izany. Fifaninanana natokana ho an’ny tanora 14 ka hatramin’ny 17 taona. Fanambin’ny fanjakana seiseloà ny hanatsara ny lalao ka anisan’ny taranja vaovao hifaninanana, amin’ity, ny baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika na ny Beach soccer, ho an’ny sokajy lehilahy. Noho ny firoboroboan’ity taranja ity ao Seychelles ny anton’ny nampidiran’izy ireo azy ao anatin’ireo hiadiana medaly. Raha tsiahivina, hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny beach soccer i Seychelles, ny 1 ka hatramin’ny 11 mey 2025. Firenena afrikanina voalohany mandray izany ry zareo.
Ankoatra izay, miisa 11 ny taranja voafantina hifaninanana amin’ity dia ny judo, ny badminton, ny atletisma, ny lomano, ny ady totohondry, ny volley-ball, ny baolina kitra, ny basikety, ny voile, ny beach soccer ary ny fibatana fonjamby. Tsiahivina fa miisa 7 ny firenena handray anjara amin’ity lalaon’ny CJSOI 2025 ity ka ankoatra an’i Seychelles, mpampiantrano, eo koa i Madagasikara, La Réunion, Maurice, Mayotte, Comores, Djibouti. Tsy manao ambanin-javatra ity fihaonana ho an’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity ry zareo Seiseloà. Miara-misalahy amin’ny fikarakarana ny federasiona rehetra voakasika sy ny fitondram-panjakana ao an-toerana.

Tompondaka

Partager sur: