Takaitran’ny rivodoza Dikeledi: telo maty, 1 702 traboina ao anatin’ny faritra telo

Tsara ny fiomanana ary nanaraka ny toromariky ny BNGRC sy ny mpitantana any an-toerana avokoa ny mponina ka tsy mafy ny fiantraikan’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany avaratra, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC.

Telo maty taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Di­ke­ledi an-tanety ny alin’ny sabotsy tamin’ny 7ora sy sasany tao amin’ny kaominina Ampisikinana, distrika Vohe­mar, faritra Diana, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC, Elack Andriakaja Olivier, omaly atoandro. Na­ma­kivaky ny kaominina Ani­vo­rano Avaratra sy Nosy-be Hell Ville koa ity rivodoza ity ary nivoaka an-dranomasina ao amin’ny lakandranon’i Moza­m­bika, tamin’ny 3 ora maraina, ny alahady. Tamin’ireo telo maty, olona iray tao amin’ny kaominina Rantabe, iray hafa tao amin’ny kaominina Ambodimanga, ao amin’ny distrika Maroantsetra avokoa ary iray tao Anivorano Ava­ratra, ao Antsiranana II. Tsy manan-kialofana, traboina 1 702, avy amin’ny tokantrano 398. Olona 11 avy ao Analanjirofo, 641 ao amin’ny faritra Diana ary 1 050 no hita ao amin’ny faritra Sava. Misy olona 257 (avy amin’ny 52 tokantrano) voatery nafindra toerana. 239 olona avy ao Vohemar amin’ny toeram-pandraisana roa ary 12 ao Ambilobe, olona enina avy ao Nosy Be napetraka eny amin’ny toeram-pandraisana iray.
Ho an’ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana indray, trano 330 dibo-drano ary 58 amin’ireo no simba. Nahitana fahatapahana amin’ny RN6 ary efa mamaha ny olana ireo tomponandraikitra eo amin’ny PK 537+329. Misy olana koa ny fifamoivoizana eo amin’ny passage à gué amin’ny RN5A ao Manambery, distrika Vohe­mar.

Atahorana ny fiakaran’ny rano
Atahorana ny fiakaran’ny rano tampoka ka efa nomena toromarika ny tomponandraikitry ny BNGRC sy ny mpitantana rehetra ho mailo ho an’ny rano avy any ambony mirotsaka aty ambany. Tokony harahi-maso koa ny fihetsiky ny olona sao variana ka handeha amin’ny ranomasina na hiverina eny amin’ny toeram-ponenany. Mbola mipetraka hatrany ny fepetra rehetra mandra-pilazan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa lasa tanteraka ny loza.

Vonjy

Partager sur: