Tenisy ambony latabatra: hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika i Madagasikara

Malagasy mpilalao miisa efatra mianadahy, roa lahy sy roa vavy, no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping pong”, hatao ny 25 janoary hatramin’ny 2 febroary ho avy izao, any Tunis Tunisie. Raha ho an’ny lehilahy, ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany, Razafinarivo Antoine sy Rakotoarimanana Fabio, no voafidin’ny Fede­rasiona malagasin’ny tenisy ambony latabatra (FMTT), hiatrika ity fifanintsanana ity. Rakotondrazaka Océane sy Andriantahina Graciakosa ny vehivavy hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Tom­bony ho an’ny Malagasy ny traikefa hananan’i Fabio, izay efa niatrika fihaonana goavana, toy ny « lalao Olympika 2024 », tany Paris. Efa nandrombaka medaly alimo tamin’ity kosa i Antoine, ny taona 2023. Sambany vao hifanintsana amin’ny sehatra zokiny “séniors” kosa i Océane sy i Gracia. Marihina fa tanjon’ireo Malagasy mpilalao ireo ny hanome ny tsara indrindra avy aminy, mba hahazoan’i Madagasikara medaly maro.

F.R

Partager sur: