Toekarena manga: mpanjono maherin’ny 500 nisitraka fampitaovana

Vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly na « fumoir » miisa 11 sy « tracteur frigorifique » no natolotry ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, sy ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana, Andria­mamelasoa Lalaina, ireo mpanjono maherin’ny 500 tao amin’ny kaominina Maroalo­mainty, distrika Ambovombe, faritra Androy, omaly. Tanjona ny hampihena ny fahasahiranana eo amin’ny fitaterana ireo hazandranomasina avy amin’ny tanànan’ny mpanjono saro-dalana mankany amin’ ireo toerana misy ny mpanjifa. Eo koa ny hanodinana sy hitehirizana ireo trondro tsy lany ho azo hamidy amin’ny fotoana manaraka. Nisitraka rano fisotro madio 5m3 ihany koa ny mpanjono hanampiana azy ireo amin’izao vanim-potoa­nan’ny haintany izao.
Ankoatra ireo, mitotaly 15m3 ny rano nozaraina ho an’ireo mponina eo anivon’ny fokontany Esalo sy Sevohi­poty, kaominina sy distrika Ambovombe. Izany hoe, barika miisa 750 amin’ireo 20 litatra. 250 Barika na 5m3 isaky ny tanàna kosa no nozaraina tao amin’ny fokontany Anjira, kaominina Antaritarike, distrika Tsihombe, ny sabotsy teo.
Marihina fa mbola hitohy any amin’ny fokontany sy kaominina hafa ny hetsika ho fi­tsinjovana ny Malagasy amin’ izao vanim-potoan’ny haintany izao.

Henintsoa H.

Partager sur: