Anisan’ny fanao maneran-tany ny « mitsodrano » amina vanim-potoana na tranga mila izany. Iray amin’ireny ny taom-baovao. Marobe ny olona no voatsodrano… Saingy, mankaiza avokoa izy ireny? Toa tsy manan-kery raha ny filazan’ny sasany? Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny Malagasy izay maro teny tokoa manoloana ny olona hotsofin-drano mba…
Matetika, ireo zoky raiamandreny no mitsodrano. Avy any aminy no niteraka ny tsy fahatanterahina? Izay tokoa raha toa ka olona « tsy madio » fanahy sy fo ary saina no manao azy, raha ny fandinihan’ny mpahay zava-panahy.
Raha mahafeno ny fepetra kosa izy ireo, kanefa, mbola tsy mandaitra ihany ilay tsodrano. Ilay olona notsofin-drano indray no mampiahiahy, araka ny fanazavan-dry zareo hatrany. Izany hoe, tsy tafita any aminy ilay tsodrano noho ny fahamaroan’ny « loto » ao amin’ny fanahy sy fo ary ny sainy.
Fantatra fa anisan’ny mahatanteraka ny tsodrano ny « fahamasinam-bava » eo amin’ny mpitsodrano sy ny « fahamasinan-toetra » eo amin’izay mandray izany. Ny fanajana ny fady sy ny fanalana ny loto (na fidiovana) no antoka lehibe amin’izany.
HaRy Razafindrakoto