Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpaka an-keriny roa lahy tao Amboasary Atsimo, ny 11 janoary teo. Nitondra fitaovam-piadiana, nentin’ireo olon-dratsy ilay zazavavy, tamin’io andro io, tao amin’ny fokontany Maroasara, kaominina Amboasary Atsimo. Tsy mbola nitaky lelavola tamin’ny fianakavian’ilay zazavavy nalainy an-keriny ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao. Taorian’ ny tranga fakana an-keriny tao amin’io kaominina io, voamarina fa dimy lahy ireo nahavanon-doza. Niroso tamin’ny famotorana avy hatrany ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Fantatra ny toerana fieren’ireo olon-dratsy sy ny nanafenany ilay zazavavy. Vokany, roa lahy voasambotra. Noterena hitoroka ny mpiray tsikombakomba amin’ireo jiolahy. Nitoroka ny toerana misy ireo namany izy ireo saingy efa lasa nandositra ireo telo lahy voalaza fa anisan’ny nanao ny fakana an-keriny. Tafaverina eny amin’ny fianakaviany ilay zazavavy. Atao famotorana, hatolotra ny fitsarana tsy ho ela ireo roa lahy.
Tsiferana R.