Fanafihana mitam-piadiana lavareny: roa lahy mpianatry ny oniversite maty sy naratra voatifitra

Tsy mety fongana ny asan-jiolahy ao Toamasina. Maty sy naratra voatifitra ny tovolahy roa, mpianatra ao amin’ ny oniversiten’i Barikadimy. Misy milaza fa jiolahy izy ireo. Misy kosa ny manamafy ny mifanohitra amin’izany.

Lasibatry ny jiolahy ny tsena iray, mpivarotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tao Toamasiana, afakomaly. «Ni­sy tovolahy iray tonga teo anoloako. Nanontany azy aho amin’izay atao ho azy. Nan­gataka vola izy, poa toy izay, namoaka basy. Naka ny harona misy vola teo ambony latabatra avy eo. Nifanosika izahay satria nanohitra azy, ta­min’ny fanosehana amin’ny alalan’ilay takelaby misy soratra dokambarotry ny orinasa. Nitsoaka izy ka ny tanany havia mihazona ilay harona, ny havanana mihazona basy. Tsy hitako fa takon’ilay ka­miao ny tao ambadika, fa rehefa hivoaka teo amin’ny lohan’ ilay kamiao izy vao nisy basy nipoaka indray mandeha”, hoy ny fitantaran’ilay mpandraharaha nandritra ny fidinana ifotony nanaovana ny fanadihadiana. Nilaza kosa ireo mpibata entana nitatitra simenitra, tamin’io fotoana io, fa “nisy harona saingy vola madinika tsy ampy firy akory no lasan’ireo jiolahy. Olona nanelingelina ny fitsoahan’izy ireo no notifiriny ary lasa nitsoaka tamin’ny moto izy ireo, nataony anaty harona ilay basy”, hoy ny fijoroana vavolombelona.

Tsy jiolahy ilay maty sy maratra
Nohamafisin’ny fokonolona nanatri-maso, tsy jiolahy ireo roa lahy matin’ny bala sy naratra fa olona sendra nandalo tamin’ilay lalana ka nifanehatra tamin’ireo jiolahy maika hitsoaka. Nanelingelina azy teo alohany ka notifiriny. Vokany, voa teo amin’ny takibany havanana ny iray, namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny Hopitalibe, raha mbola manaraka fitsaboana kosa ny faharoa. Nohama­fisin’ny fianakavian’izy ireo ny tsy maha jiolahy ireto roa lahy niharan’ny herisetra tsy nahy ireto. Ny iray voalohany na­moy ny ainy, mpianatra manao filozofia, taona fahefatra, ao Barikadimy, avy any Marerano Maroantsetra. Ny faharoa, taona fahatelo, manao lalàna, ao Barikadimy, avy any Ambinanitelo Ma­roantsetra. «Nifampiantso tamiko izy ireo fa ho any amiko hisakafo atoandro kanjo loza no nitranga. Azo porofoina ato amin’ny findaiko sy azy ireo izany fifandraisanay izany», hoy ireo fianakavian’izy ireo nanazava tamin’ny polisy.

Lasa aiza ny basy?
Vokany, ho an’ izay milaza fa jiolahy ireo naratra sy maty, nankaiza ary ny basy…? Ba­raingo apetraky ny mpanao fanadihadiana ihany, nahoana no tifitra indray mandeha no nitranga ka olona roa indray voan’ny bala? Kanefa tafajanona ao amin’ny kibon’ ilay namoy ny ainy. Ny voatafika, ankilany, raha tonga teny
amin’ny hopitaly milaza fa «io maty io mihitsy no teo anoloany naka ilay harona misy vola»,… Nankaiza izany ny basy? Ny polisy kanefa nitondra azy tany amin’ny hopitaly raha vao nitsirara teo amin’ny lalan-dratsy nisehoan’ny fanafihana. Hatreto, na ny polisy aza sahiran-tsaina. Ho an’ny fokonolona nanatri-maso, ta­fatsoaka ny nahavanon-doza ka anjaran’ny mpitandro filaminana no tokony hahay hikaroka ny mpandika lalàna. Etsy ankilany, anisan’ny manamora ny fitsoahan’ny jiolahy ny fibosesiky ny bajaj sy ny posy, indrindra ny haratsian-dalana ao an-drenivohitr’i Toamasina, ny mpitandro filaminana rahateo misy fahatarany 15 minitra aorian’ny tranga raha efa adiny roa sy sasany taty aoriana vao tonga ny zandary. Amin’ny ankapobeny, raha tsorina, faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana i Toamasina.

Manova fiady ny mpangalatra

Nandritra ny orambe nivatravatra, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy, nidiran’ny jiolahy mpamaky trano ny tranovato ao amin’ny Cité nouvelles villes. Tsy famakiana trano tahaka ny mahazatra, izay mamaky varavarana indray ity, fa efa miomana amina tohatra. Mihanika eny ambony tafo ka ity farany no tatahana amin’ny hetibe fanapahana fanitso, avy eo midina moramora anatin’ny trano. Manokatra varavarana amin’izay mamoaka entana. Ny ankamaroan’ny entana tao an-tokantrano, miampy finday avo lenta sy maro hafa teny ambony latabatra lasa avokoa. Rindrina, nisy nanendaka; trangana vaky trano tao amin’ny fokontany Tsarakofafa parisela 21/72, mitovy fotoana no nitrangan’izany. Voaroba avokoa ny entana. Tsara ny manamarina fa lasa hatramin’ny vilany sy ny vary fotsy tao an-tokantrano, masiaka ny asan-jiolahy ao Toamasina, mandrimandry manana aretina ny mpitandro filaminana.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: