Fifidianana ben’ny tanàna: nolavina ny fitorian’i Tojo Ravalomanana

Notsipahin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf), Anosy, ny fitorian’ny kandidà nangataka ny fanalana an-daharana an-dRamanantsoa Harilala. Andrasana rahampitso ny didim-pitsarana.

Nolavin’ny fampanoavana ny fangatahana fanintsanana an-daharana ny kandidàn’ny Irmar amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Fitoriana nataon’ny kandidà isany: Razafinjoelina Tahina sy i Gascar Fenosoa, ary Ravalomanana Tojo. Nam­baran’ny mpisolovava azy ireo, i Minosoa Saholy, fa nahita tsy fanarahan-dalàna avy amin’ny kandidàn’ny Irmar. “Antony nangatahanay ny fanafoanana ny vato azony sy ny fanintsanana azy izany”, hoy izy. Noha­ma­fisiny fa natao ny fitoriana mba hanatsarana ny amin’ny aoriana. Manantena ny eo anivon’ny Taf ny handinika izany am-pitoniana sy ny fahefana eo an-tanana ary ny fahaleovantenany izy ireo amin’ny hamoahana ny didim-pitsarana, r­a­hampitso.
Etsy andaniny, mbola nanitrikitrika ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hosoka nataon’ny kandidàn’ny Irmar, ny mpisolovava, Raharison Hubert, niaro ny kandidà, Ravalomanana Tojo.

Hiova ny voka-pifidianana

Anisan’ny mahatonga ny fangatahana ny fampiasana ny fahefana sy fitaovam-panjakana, ary ny momba ny fanaovana “Ordonnances” nampiasain’ny miaramila sy ny zandary. Manginy fotsiny ny hosoka samihafa. “Feno sy ampy tanteraka ny fitorianay napetraka ety amin’ny fitsarana”, hoy izy.
Nohitsin’izy ireo fa mitaky ny hanintsanana ny kandidàn’ny Irmar ny avy amin’ny kandidàn’ny Tim. Manantena ny hiovan’ny voka-pifidianana ny mpisolovava an-dRavalomanana Tojo manoloana ny fitoriana napetraka ary tsy tokony hisehoan’ny tsindritsindry izany.
Nambarany fa nametraka fitoriana koa ny kandidà Rama­nantsoa Harilala, amin’ny zotram-pifidianana amin’ny birao fandatsaham-bato vitsivi­tsy saingy tsy mahakasika ny kandidàn’ny Tim izany.

Synèse R.

Partager sur: