Novelesina tamin’ny hazo: vehivavy bevohoka voaroba 1 200 000 Ar

Lasan’ny jiolahy ny vola mitetina 1 200 000 Ar, an’ny renim-pianakaviana iray tao Amborovy, kaominina Mahajanga, ny alahady 12 janoary, teo. Avy nivarotra, namonjy ny lalana fodiany toy ny mahazatra ilay ramatoa mitondra vohoka. Nitondra moto izy. Narahin’ny olon-dratsy anefa, voavelin’ny hazo tampoka avy aoriana io vehivavy io. Niongana teny ambony moto, nianjera tamin’ny tany izy. Voaroban’ny olon-dratsy, tamin’izany, ny vola matiny nandritra io andro io. Nandositra ireo jiolahy taorian’ny fandrobana. Mpandalo no nahatsikaritra ilay renim-pianakaviana ka nanavotra azy. Voa mafy, voatery nentina eny anivon’ny hopitaly ny lasibatra manaraka fitsaboana. Karohin’ny mpitandro filaminana ny nahavanon-doza taorian’ny fitorian’ny lasibatra. Marihina, manjaka ny asan-jiolahy ao an-toerana tato ho ato.

Tsiferana R.

Partager sur: