Varo-maizina: roa lahy nahatrarana sokatra 24 sy rongony 10 gony

Zana-tsokatra ahina ho lany tamingana miisa 24 sy rongony 10 gony indray saron’ny zandary tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana, tao Betioky-Atsimo, ny 12 janoary teo. Roa lahy voasambotra.

Karazan-tsokatra fantatra amin’ny anarana siantifika “Astrochelys Radia­tas” tra-tehaky ny zandarimaria teny amin’ny lalam-pirenena fahafolo, tao Andohasatra, kaominina Tameantsoa, distrika Betioky Atsimo, ny sabotsy 12 janoary teo. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy olona mitondra fiara tsy mataho-dalana tsy manara-dalàna. Name­traka ny sakana, nandalo ilay fiara marika Nissan Patrol izay nikasa hamakivaky ny RN10. Nosavaina avy hatrany ny tao anatiny, teo amin’ny PK 82 +600.
Nivoaka ny fiara ny olona roa lahy ka mpamily ny iray. Nahatraran’ny zandary nanao fisavana zana-tsokatra mitotaly 24 isa tao anatin’ilay fiara. Tsy fantatra mazava ny antony nitondran’izy roa lahy ireo an’ireto karazam-biby ahina ho lany tamingana ireto. Ankoatra io, nahitana rongony 10 gony koa tao anatin’ny fiara.
Nogiazana
Notanana atao andrimaso eny anivon’ny biraon’ny zandarimaria ao an-toerana avy hatrany ireo roa lahy tratra ireo. Nogiazana avokoa ireo sokatra nokasaina hahondrana antsokosoko sy ny rongony izay nahatrara 120 kg. Naiditra am-balam-pamonjana ny fiara. Araka ny lalàna, voarara ny fihazana sy fitondrana ireto karazan-tsokatra ireto ary indrindra ny famarotana izany amin’ny fomba rehetra. Iharan’ ny sazy henjana izay minia mandika izany. Mitohy ny hazalambo ataon’ny mpitandro filaminana ireo minia mihaza antsokosoko sy mivarotra ny biby arovana toy ny sokatra sy ny mifandraika amin’izany.

Tsiferana R.

Partager sur: