“Afrobasket 2025”: hatao eto Madagasikara ny fifanintsanana

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina eto Madagasi­kara, ny 21 ka hatramin’ny 23 febroary ho avy izao, ny tohin’ ny fifanintsanana ho an’ny vondrona D, amin’ny fiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Efa ao anatin’ny fanomanana izany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire amin’izao fotoana. Ho fiatrehana izany, niantso mpilalao miisa 23 ny mpanazatran-dry zareo, hifantenana izay 12 lahy hiatrika izany eto Madagasikara. Ireo kalazalahy lava sady manana ny fahaiza-manao avokoa ireo voaantso ka mandalo fahasahiranana ny teknisianina ivoarianina eo amin’ny fifantenana farany.
Raha tsiahivina, mitarika amin’ity sokajy D ity ry zareo Elefanta, manana isa 6. Nahavita lalao telo ary tsy mbola resy mihitsy. Tanjon-dry zareo Ivoarianina ny hitazona io laharana voalohany vonjimaika misy azy amin’izao fotoana io. Mana­raka azy eo amin’ny laharana faharoa ny Faraôn’i Egypta, nahazo isa 5. Arahin’ny Ankoay, manana isa 4. Eo amin’ny fahefatra ry zareo avy any amin’ny Repoblikan’i Centrafrique, amin’ny isa 3.

Tompondaka

Partager sur: