Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, ny « Antsa Epifania ». Fety kristianina natao ho fahatsiarovana ny famangian’ireo Magy an’i Jesoa Kristy tamin’ ny fahaterahany. Samihafa ny fiavian’ireto Magy ireto, araka ny raki-tsoratra hita tao amin’ ny « Excerpta latina barbari ».
Nanatanteraka tahaka izany koa ny antoko mpihira Afatra avy ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Fitsidihana tany vitsivitsy nanehoana an-tsary ny fomba fanaon’izy ireo amin’ny Epifania no nataon’izy ireo. Feu de joie (Islande), Glagla (Russie), Calbagata de reyes (cavalgade des rois) (Espagne), Galette des rois (France) ary ny Rue de l’étoile (Israël). Miavaka satria lalana tafiditra ho anisan’ny vakoka eo anivon’ny Unesco nanomboka ny taona 2012.
Fitantarana noravahin’ireo hira tamin’ny teny malagasy sy vahiny, toy ny : Emmanuel (Chris Christensen) (Soisa) Hloholonofatsa (Lucas BOK) (Afrika Atsimo), Born is the Light of the world (Sally Deford) (Amerikana), Как Ты велик ( Kak Ty velik) (Ivan S. Prokhanov) (Rosia), Sambasamba Zanahary (Madagasikara)…
Marihina fa efa nisy hatramin’ny taona 2014 ny fanatanterahana ny « Antsa Epifania » ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Nitondra fahalalana sy aim-panahy ho an’ireo mpanatrika hatrany ny seho tsirairay.
HaRy Razafindrakoto