Tsy niandry ela. Avy hatrany dia namonjy ireo olona traboina any amin’ny faritra tena voa mafy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi ny fitondram-panjakana. Kojakoja ilaina andavanandro iatrehana ny fanarenana ny fiainana no laharam-pahamehana amin’izany.
Nidina avy hatrany namangy ireo mponina traboina any amin’ny faritra Diana sy Sava ny iraky ny fitondram-panjakana nitondra ny voin-kava-mahatratra.
Nijery ny zava-misy tany an-toerana izy ireo ka nitondra vahaolana vonjimaika amin’ireo filana mahakasika ny andavanandron’ireo mponina traboina. Vaindohan-draharaha ny famatsiana rano fisotro madio izay miantoka ny fiainan’ny mponina any an-toerana.
Nitondra teny fampiononana sy fankaherezana ho an’ny fianakavian’i Jaomazafy, zokiolona 99 taona, namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny hazo tao amin’ny fokontany Ambondromifehy, Anivorano Avaratra ireo tomponandraiki-panjakana.
Nitohy tao Vohemar ny famangiana ireo mpiray tanindrazana ka tokantrano miisa 67, nahitana olona 622 no notolorana tantsoroka ara-tsakafo sy fitaovana, nahitana vary, menaka, tsaramaso, siramamy, fanitso, fantsika sy savony ary fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra.
Fianakaviana 250 ao amin’ny kaominina Betsiaka, distrika Ambilobe ihany koa no nanaterana tohana ho voin-kava-mahatratra manoloana ny voina nateraky ny fandalovan’ilay rivodoza Dikeledi.
Nankasitraka ireo iraky ny fanjakana notarihin’ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Nirintsoa Harinandrasana, sy ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ary ny governoran’ny faritra Sava, Seramila Teddy Gervais, ireo mponina. Mahatsiaro fa tsy irery fa manana fanjakana miahy sy manatona ny vahoaka ny mpitondra tenin’ny fianakaviana.
Mafy ny fiantraikan’ny rivodoza tany avaratry ny Nosy ary lasibatra matetika ireo mponina any an-toerana. Sasatry ny miarina ary mamparefo ny fivelomana ny takaitra avelan’ny rivodoza.
Tatiana A