“Chan 2024”: nahemotry ny Caf amin’ny volana aogositra

Noho ny fotodrafitrasa any Kenya sy i Tanzania ary i Ounganda tsy mbola tomombana tsara, nanao fanambarana ny Caf fa hatao amin’ny volana aogositra ny «Chan 2024».

Nandray fanapahan-kevitra goavana ny Kaon­federasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf), omaly halina, tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Notapa-han’izy ireo tamin’izanyfa ha-hemotra amin’ny volana aogositra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ ireo ekipa nasionaly tsy ahi­tana mpilaravinahitra « Chan 2024 », izay hatao any Kenya, sy Ouganda ary i Tanzania. Raha ny fanaza-vana hita tao anatin’ilay fa-nambarana, no­mena fotoana ireo firenena mpampiantrano hanavao tsara ny kianja fandraisan-dalao sy ny hotely ary ireo fotodrafitrasa maro izay tokony hatsaraina.

Efa any Manakara ny Barea

Mbola manana lalao fitsapana hatao eto an-toerana iray ny Barea, taorian’ilay fandresena, 2 no ho 0, azon’izy ireo nanoloana ny ekipa voafantin’i Matsiatra Ambony, ny alahady lasa teo, tany Fiana­rantsoa. Araka ny vaovao voaray, omaly, efa any Manakara ny ekipa nasionaly malagasy. Hifanandrina amin’ireo mpi­lalao voafantina ao Vatovavy Fitovinany, no tena anton-dian’izy ireo any. Manoloana io fihemorana io nefa, nilaza ny mpanazatran’ny Barea, Rako­tondrabe Romuald Felix na i Coach Rôrô, fa tsy mbola misy fanapaha-kevitra ho raisin’izy ireo, fa hankinina amin’ny Fe­derasiona malagasin’ny Bao­lina kitra (FMF) izay mety ho fi­ovan’ny fandaharam-potoana efa napetraka.

Fitia Randria

Partager sur: