Don-tandroka

Asa re inona no hiseho? Hoy ny fanontanian’ny maro, manoloana ny zotra politika eto amin’ny firenena. Andaniny, ny mpanohitra, mandrangaranga ny tsy fanekena ny voka-pifidianana. Milaza ny hanao hetsika mihitsy ho fitsipahana ny “ fanodinkodinana ny vatony”. Hidina an-dalambe raha ilaina izany. Asa inona no koninkononina eny Bel’air eny? Efa niaraha-nihaino ny kabary isan-karazany nataon’ny mpitarika.
Ankilany, efa mazava ny an’ny mpitondra fa tsy azo ekena ny korontana. Misy ny somary maherihery fihetsika, efa mandrangaranga ny famoretana, ny fisamborana, hiafara amin’ny fanagadrana. Misy indray ny malemy tsy azo, maneho hevitra an-kolaka amin’ny fandrahonana amin’ny fomba diplaomatika. Maneho hevitra amin’ny fitanisana ny nanjo ireo mpanohitra voasambotra. Toa kamboty velon-dray rehefa any am-ponja, nivadihan’ny mpiara-mitolona.
Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, aza iny, nangataka ny hanamafisan’ny foloalindahy ( Tafika sy Zandary) ny firaisankinany. Fa inona marina ny zava-miseho? Raha atao fijery ivelany dia milamina ny tanàna. Mazavabe rahateo fa tsy maharisika ny vahoaka malagasy intsony ny hitokona na hanao hetsika raha mbola ny “teo ihany no miverina(Tim)”. Mitady olona manana ny maha izy azy sy olom-baovao angamba vao hisy izany raha hisy. Mbola rempotry ny fitadiavana ny hatokona isan’andro ny isam-batan’olona.
Mifanindran-dalana amin’izany, efa manomboka indray koa ny kajikajy politika. Mivoaka tsikelikely ireo efa tany ambadiky ny kianja nilalaovana politika. Manakaiky rahateo ny valim-
panadinana amin’ny mpikambana ao anaty governemanta.
Ny mpanohana ny Filohan’ny repoblika avokoa aloha no mivoaka sy mangataka fanesorana ireo mitovy “loko” aminy. Mahavarina! Fitiavan-tanindrazana sa fitiavan-tseza sy tombontsoa.
Mifono misitery ny ampitso! Ny tsy azo hodian-tsy hita, manao don-tandroka daholo ny hery velona rehetra.

r.r

Partager sur: