“Fagnotsafa 2025” – Toamasina: novelabelarina ny fivoaran’ny zavakanto

Inona ny zava-misy? Inona ny olana? Inona ny vahao­lana? Fanontaniana nezahina nitondrana valiny avokoa ireo, mahakasika ny lohahevitra “Ny fivoaran’ny tontolon’ny zavakanto eto Toamasina”. Ampahany tanatin’ilay hetsika “Fagnotsafa 2025”, notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny adihevitra, tao amin’ny efitrano lehiben’ny Tranoben’ ny serasera sy ny kolontsaina, Masôva 501. Hetsika natao hanandratana sy hanome­zana sehatra ny zavakanto avy any amin’iny faritra Atsina­nana iny izy ity, nokarakarain’ ny fitaleavam-paritry ny Sera­sera sy ny kolontsaina any an-toerana.
Niarahan’ny mpandray fitenenana niaiky fa anisan’ ireo faritra manan-karena ara-javakanto i Toamasina. Ani­san’ireo mpanakanto efa ma­laza, nandray anjara tamin’ny adihevitra i Denise. Manana izy raha ny traikefa eo amin’ny tsenan’ny mozika, na ny ana­tiny na ny iraisam-pirenena. Satria, tao anatin’ny fandaharam-potoana koa ny jery todiky ny taona 2024, mazava loatra fa tsy maintsy voaresaka ny “Makua Festival Music”, an­diany voalohany. Hetsika ara-javakanto anisan’ny goavana indrindra iny, nanomezana sehatra ireo mpanakanto avy ao Toamasina sy niantsoana ihany koa ireo kalaza mane­rana ny Nosy, hizara ny traikefany.
Tsy adihevitra fotsiny, fa narahina seho an-tsehatra ny “Fagnotsafa 2025”. Nizara indray ny mozikany ireo mpanakanto zoky mandrafitra ny Kaiamba tena izy.

Zo ny Aina

Partager sur: