Manana vahoaka ny Irmar matoa voafidy, araka ny nambaran’ny depiote Raholdina Naivo tetsy amin’ny Arena Ivandry, afakomaly. “Antsika kosa ny tanàna amin’izao. Tsy mahagaga raha lany ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, satria anisan’ny nampandany azy hatrany amin’ny 60 na70% izahay”, hoy izy.
Nankahery ireo rehetra, tra-pahasahiranana noho ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi, ny filohan’ ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, araka ny nambarany, omaly. Nosinganiny manokana ireo any amin’ny tapany avaratra. “Isaorana ireo tomponandraikitra rehetra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miasa, efa mikarakara ireo mpiray tanindrazana ireo”, hoy izy.
Manana fanamby goavana isika amin’ny fampandrosoana ny firenena, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna. Anisan’izany ny fijerena ny eny ifotony sy ny faritra ary ny distrika. “Apetraka ny paikady hahafahana manafaingana ny asa”, hoy izy tany Antsirabe, ny faran’ny herinandro teo.
”Mitaky asa izao vanim-potoana izao fa tsy vitan’ny fanambarana fotsiny”, hoy ny eo anivon’ny Otrikafo, amin’ny alalan’ny mpitarika, Rabevahiny Elia. Nanteriny fa tokony hirosoana ny fandrodanana ny rafitra tsy mahomby sy ny fanovana. “Iaraha-mikaroka ny vahaolana amin’izany manoloana izao fahasahiranana izao”, hoy izy.