Jeneraly Ravelonarivo Angelo: «Tsy azo ekena ny fanakorontanana»

Mbola nanamafy indray ary hentitra ny eo anivon’ny prefektiora, omaly, manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana fa tany tan-dalàna isika. Tsy eken’ny lalàna ny fanaovana hetsika ivelan’ny voalazan’ny lalàna”, hoy ny Prefet de police, Antana­narivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Nanteriny fa efa eo ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana –Taf, ahafahana mametraka ireo fitoriana isan-karazany. Tsipahiny kosa sady nambarany fa tsy eken’ny lalàna ary tsy eken’ny eo anivon’ny prefektiora ny fanaovana hetsika sy dingana ankoatra ny voalazan’ny lalàna.
Etsy andaniny, nanteriny fa tsy olana ny fivoriana rehefa tsy misy hevitra ambadika na hevitra hafa. “Azo tanterahina koa izany rehefa tsy manohintohina ny fiandrianam-pirenena, ny fanjakana tan-dalàna”, hoy izy.
Tsiahivina fa efa nanao fanambarana tsy mifanalavitra amin’izao ny Prefet, ny herinandro teo, ny amin’ny tsy fahazoana manao hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny manoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Mialoha sy mandritra ary ny aorian’ny fifidianana. “Mbola ao anatiny tanteraka isika izao”, hoy izy tamin’izay fotoana izay.
Efa noraisin’ny vondron-kery eo anivon’ny OMC avokoa ny fepetra mifanaraka amin’izany, tsy hisehoan’ny korontana amin’izao hivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna ofisialy, ny zoma izao.

Synèse R.

Partager sur: