Mpivarotra solika hosoka: roa lahy tratran’ny zandary tao Toamasina

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampana fi­karohana heloka bevava Toamasina, ny 13 janoary 2025 hariva, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka amin’ny fanamboarana sy fivarotana solika mitapoka
asidra. Teo am-panaovana izany, tao amin’ny fokontany Mangarano, miaraka amin’ ireo fitaovana fampiasan’izy ireo no tratra izy roa lahy ireto. Nahitana solika anaty sinibe sy asidra fampiasa rehefa manapoka ireo solika tao amina trano iray fiasan’izy ireo.
Misy ireo solika efa voatapoka asidra ka eo am-
piandrasana ny mpanjifa izany, misy kosa ireo mbola tsy vita karakara. Nanamafy ny zandary fa somary nan­gingina sy tsy henoheno in­tsony ity resaka solika tsy voadio tapohana asidra ity saingy niverina indray izany taty aoriana. Ankoatra ny fahasimbana mety hateraky ny fampiasana ny vokatra amin’ireo fitaovam-pitaterana, miteraka fofona ratsy ho an’ny mpiara-monina sy ny manodidina ihany koa izany. Ahina hiteraka aretina ho an’ny taovam-pisefoana ho an’ireo olona manodidina koa ireto solika sy asidra ireto. Hatolotra ny fampanoavana izy roa lahy ireto aorian’ny famotoran’ny zan­dary.

J.C

Partager sur: