Jiolahy dimy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Mahajanga tampon-tanàna lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, omaly maraina tamin’ny 1 ora. Manoloana ny tsy fandriampahelamana niseholany tao amin’ny fokontany maromaro ao an-toerana, niara-niasa ny polisim-pirenena sy ny mponina. Nanao fisafoana tampoka teny amin’ny Gradin Mahavoky ny solontenan’ny polisin’ny UIR. Nifanena tamin’ny olon-dratsy izy ireo. Nanao fanamiana manokana izay hifankafantarany ireo jiolahy. Raikitra ny fifandonana satria namaly ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo mpandroba. Nirefodrefotra ny basy. Vokany, maty voatifitra ny dimy lahy. Nitondra antsibe sy fitaovam-piadiana fampiasany manao ny asa fanafihana izy ireo. Nandositra ny namany. Hifampitadiavana moa ireto farany amin’izao fotoana. Naterina eny anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly ireo namoy ny ainy. Ankoatra io, nitrangana fanafihana koa tao Amparihingidro, ny 10 janoary lasa teo. Niroso tamin’ny famotorana ny mpitandro filaminana ka nisy ireo olona mampiahiahy. Niroso tamin’ny fisamborana izy ireo. Tratra ny telo lahy. Natao fanadihadiana, entina manoloana ny fampanoavana izy ireo. Marihina, niseholany ny tranga fanafihan-jiolahy niharo
fandrobana tao Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Mitondra pilotra mihitsy ireo olon-dratsy ka raiki-tahotra ny mponina.
Tsiferana R.