Nitondra ny heviny mahakasika ny fanehoan-kevitry ny mpitondra fivavahana, tato ho ato, Rabary Paul. Raiamandreny fa tsy mpanohitra izy ireo, araka ny nambarany.
“Tsy azo sokajina hoe mpanohitra ny mpitondra fivavahana, fa mijoro amin’ny fahamarinana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Ny fireneko sady mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, momba ny adihevitra ny amin’ny toeran’ ny mpitondra fivavahana amin’ ny fanaovana fanambarana ny amin’ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato. Tsy afa-kiandany amin’ny fitondram-panjakana ny mpitondra fivavahana, raha amin’ny tantaran’ny firenena no jerena. Satria tsy mpitondra fanjakana ny mpitondra fivavahana, fa miantoka ny lafiny moraly. Rehefa voatohintohina ao anatin’ny raharaham-pirenena sy amin’ ny zavatra maro samihafa ny fiainam-bahoaka, mijoro ny mpitondra fivavahana. Izay fijoroana amin’ny fahamarinana izay no iraka ho an’ny mpitondra fivavahana. Sarotra ho azy ny hiandany amin’ny mpitondra fanjakana amin’ny zavatra iainan’ny vahoaka amin’izao. Manaitra ny mpitondra fanjakana izy amin’ny zava-misy fa tsy manohitra. Anjaran’ny mpitondra fivavahana izay, ary tsy mivaona amin’izany izy fa mijoro amin’ny maha raiamandreny. Raiamandreny faratampony ny mpitondra fivavahana. Eken’ny vahoaka malagasy iray manontolo izay. Na ny mpitondra fanjakana aza, tokony hahatsapa fa raiamandreny ny mpitondra fivavahana. Koa raha mijoro amin’ny asany amin’ny maha raiamandreny azy izy, angamba tsy fahadisoany. “Tsy vao izao ny mpitondra fivavahana no maneho hevitra politika”, hoy izy. Ny mpitondra fivavahana amin’ny politika teto Madagasikara
dia nijoro amin’ny fahitany ny raharaham-pirenena. Angamba, tsy fahadisoany izay. Manana ny anjara toerany eo amin’ny tantaran’i Madagasikara ny mpitondra fivavahana amin’ny resaka politika.
R. Nd.