Matetika miseho ny fanapoizinana amin’ny fihinanana hazandranomasina voarara amin’izao vanim-potoan’ny fahavaratra izao. Miseho 2 hatramin’ny 12 ora aorian’ny fihinanana azy ny trangan’aretina. Mety marary an-doha, manakotsako ny vanin-taolana, mivalana sy mandoa ary mety ho reraka ny marary. Mampiavaka ny trangan’aretina kosa ny vatana sy ny rantsam-batana ary ny faritra manodidina ny vavan’ny marary mety ho volivoly. Miova ny fandrenesan’ny marary ny hafanana sy ny hatsiaka. Raha mandray zavatra mafana ny marary, mangatsiaka no tsapany, ohatra.
Maro ireo karazana hazandranomasina mety hitondra fanapoizinana. Anisan’ny tena zava-doza ny fihinanana ny ankio na atsantsa, ny sokadranomasina na fano, sardinel, bontana, geba…
Mihinana lomotra mahafaty ilay trondro madinika ary ohanin’ny trondro vaventy ireny trondro ireny. Mitombo ny tahan’ny poizina ao anatiny, miteraka fanapoizinana ho an’ny olona mihinana ilay hazandrano ka mitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voavonjy haingana.
Mandritra ny vanim-potoana mafana, manomboka ny volana oktobra hatramin’ny volana avrily, no tena zava-doza sy tsy azo hohanina ireo karazan-trondro ireo. Raha misy tranga fanapoizinana, manatona tobim-pahasalamana avy hatrany no vahaolana.
Tatiana A