Sombim-baovao

Laharana fahadimy eto Afrika ny Ankoay, sokajy lehilahy, ho an’ny basikety lalaovina olona 3. Io ny filaharana navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fiba), ny fiandohan’ny herinandro lasa teo. Laharana fahenina kosa ny sokajy vehivavy.

Hifandrombahin’ireo klioba atsy Seychelles ny mpilalao baolina kitra avy eto Madagasikara, amin’ izao fotoana. Sesilany ireo mifindra lasy any an-toerana. Ny fiandohan’ny herinandro lasa teo, mpilalaon’ny FC Rouge mirahalahy, i Ranona sy i Timain no nalain’nyklioba St Louis.

Misongadina i Ousmane Dembelé, Frantsay mpilalao baolina kitra ao amin’ny Paris Saint Germain (PSG) France. Nahatafiditra baolina roa izy, ny alahady lasa teo, raha nifanandrina tamin’ny AS Ste Etienne France. Nandresy tamin’ny isa 2 no ho 1 moa ny PSG, ary ity no fandresena azon’izy ireo voalohany tamin’ity taona 2025 ity.

Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa nahita fifanarahana amin’ilay Georgianina mpi­lalao, Khvicha Kvaratskhelia, ny klioban’ny Paris Saint Germain FC, frantsay. Tsiahivina fa milalao ao amin’ny klioba italianina Napoli SC, ity lohalaharana italianina ity. Raha ny fantatra, mitentina 70 tapitrisa euros eo ny fifindrany.

Partager sur: