Tontolon’ny zavakanto: nodimandry i René Korodôgno, mivoy ny gadona Antosy

Ny zanak’i Sofia sy iny tapany avaratra iny mahay tsara ny talentany. Iray amin’ireo mbola nitana ilay filalaovana ny korodôgno mampiavaka ny gadona antosy i René, izay nodimandry ny alin’ny alatsinainy teo.

Manan-talenta iray in­dray no nandao ny ton­tolon’ny velona. Nodi­mandry ny alin’ny alatsinainy, teo amin’ny faha-56 taonany, i René Korodogno, araka ny nampitain’ny fianakaviany sy ireo mpanakanto namany. Mpiangaly ny angorodao, fa indrindra ny gadona antosy no tena nahafantarana sy nampalaza azy. Anisan’ny hirany be mpahalala ny « bisous hely », « Madagasikara », sns. Na­naraka mpanakanto maro ihany koa i René na ireo zokiny na ireo taty aoriana. Mampia­vaka azy ny fiangaliany ny an­gorodao na ny korodôgno, izay lasa niraikitra tamin’ny ana­rana maha mpanakanto azy.
« Tampoka be taminay satria tsy naheno azy narary aho. Mbola nampisaoma teto Befandriana Avaratra izy ny sabotsy teo », hoy i Dinand Rodman. « Anisan’ny nitondra anjara biriky tamin’ny Festival Sabotsibe Mandritsara 415 izy, satria nandray anjara tamin’ny hira. Olona tsotra sy tia fia­rahamonina », hoy kosa ny tomponandraikitry ny Mamà Events, izay nampita ny vaovao ihany koa.
Niraradraraka ny fanomezam-boninahitra sy ny fiza­rana fahatsiarovana avy amin’ ireo mpanakanto nifanerasera tamin’i René korodôgno. Ani­san’ireny ry Dadi Love, Jean Rigo, Sisca, Bruno Djaozara, sns. Nahatsapa ny zava-bitan’ ity mpanakanto ity ka nanome omby vositra iatrehana ny fahoriana, no nanomana fiara hitondrana ny nofo mangatsiakan’i René any Ankazoambo, anio, ny governoran’ny faritra Sofia, ny jeneraly Lilyson René de Rolland. Nandrasana tao amin’ny Tranompokonolona Befandriana Avaratra izy, omaly.

Zo ny Aina

Partager sur: