Antson’ireo Malagasy any ivelany: “Tsy mendrika antsika izao zava-misy izao”

Nanao fanambarana ireo Malagasy anaty fikambanana 2CO2M any ivelany. Niantso ny hery eto amin’ny firenena izy ireo fa efa halohalika ny ranombary. “Tsy mendrika ny Malagasy izao zava-misy izao. Tena tsy rariny satria fanambaniana tsotra izao. Aleo maty mitsangana toy izay velona mandadilady “, hoy izy ireo. Voatsiahy amin’izany fa loza ho an’ny fiarahamonina ny tsy fipetrahan’ny demokrasia ka tsy ahafahan’ny vahoaka maneho ny heviny. Mila arovana tahaka ny anakandriamaso anefa ny demokrasia raha tiana ny firenena, araka ny fanambaran’izy ireo hatrany.
Nampanantena izy ireo fa hampita izao fanambarana izao amin’ireo firenena rehetra ahitana sy hipetrahan’ny teratany malagasy. “Tsy irery isika fa miaina sy miara-monina amin’ny valaben’izao tontolo izao ary te hanana fiainana miabo fa tsy miiba. Tsy ho lohalaharana amin’ny farany na ho vodilaharana amin’ny lohany. Tokony mba mipetraka amin’ny toerana mendrika antsika Malagasy”, hoy ihany izy ireo. Natsidik’izy ireo tamin’izany fa mirona mankany amin’ ny fitondrana jadona ny firenena. Anisan’izany ireny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana ireny, araka ny fanambarana.
Manoloana izany, nanamafy sy manohana ny antso sy fanambarana samihafa tato ho ato ireo fikambanana teratany malagasy maromaro any ivelany ireto. Anisan’izany ireo raiamandreny ara-panahy sy ny ara-drazana ary ny fiarahamonim-pirenena.
Tsiahivina fa anisan’ny nanao fanambarana ny Vondron’ireo teratany malagasy miaina any ivelany, ny Collective citizen Malagasy World (2CO2M).

Synèse R.

Partager sur: