« Chan 2025 »: tafara-bondrona amin’i Centrafrique ny Barea

Tontosa tao Kenyatta International Conventional Centre, Nairobi Kenya, omaly alarobia, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao milaravinahitra na ny «Chan 2024». Tafaraka ao amin’ny vondrona «B» ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves, Centra­frique. Tsy vaovao amin’ny Malagasy ry zareo Centra­frique satria ekipa efa nihaona tamin’ny fifanintsanana «Can 2023’ ka resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0. Mbola hifanandrina amin-dry zareo ihany koa amin’ny volana marsa ho avy izao eo amin’ny fiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026». Voalohany kosa vao hifandona ny roa tonta amin’ity fifaninanana ity, izay lalao tsy misy mpilaravinahitra.
Ankoatra izay, hiaraka amin’i Tanzanie, mpampiantrano, ny Barea de Mada­gascar. Heverina fa ho maozatra ihany ny hifanandrina amin’izy ireo satria tompon-jaridaina. Mbola miray sokajy amin’ny Malagasy koa i Mauritanie sy i Burkina Faso. Ekipa dimy, araka izany, ny vondrona misy ny Barea. Tafita amin’ny ampahavalon-dalana ny roa voalohany amin’ireo.
Azo lazaina fa vondron’ny fahafatesana ny ao amin’ny vondrona «A», iarahan’i Ke­nya, i Maroc, i Angola, RD Congo, miampy an’i Zambie. Ao amin’ny sokajy «C», i Ouganda, Niger miampy an’i Guinée sy ireo firenena roa mbola hiatrika fifanintsanana manaraka, toa an’i Egypta, Afrika Atsimo, Comores ary i Algérie. Ny vondrona «D», misy an’i Senegal, tompondaka farany miaraka amin’i Congo sy i Soudan ary i Nigeria. Tsiahivina fa amin’ny volana aogositra ny fifaninanana, araka ny tapaky ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf).

Tompondaka

Partager sur: