CUA: diovina ny fantsona fivoahan-drano

Nanao tombana ny asa fanadiovana ireo fantsona sy lakandrano eto Antananarivo ny CUA sy ny SMA ary ny Apipa. Izy ireo izay manambatra hery amin’ny fanadiovana. 70% ny tahan’ny fanadiovana no vita teny Namontana, 60% teny amin’ny Paraky tsy lefy, 60% ny asa vita teny Ambohitrakely ary 40% teny amin’ny Buse mainty.
Nitohy teny Ampefiloha izany fanadiovana izany ka nahatratra 40% ny asa vita ary 60% ny teny Ampandrana Besarety, 50% no vita teny Andavamamba Ambilanibe.
Fotaka sy karazam-pako manentsika ny fantsona sy manelingelina ny fikorianan’ny rano, izay miteraka tondradrano raha tsy diovina, no nesorina tamin’izany. Nahavita fitaterana fako in-12 miverina ny SMA, ankoatra ny 5 hafa ho an’ny fitaterana ny fanotorana.
Vita tanteraka ihany koa ny fanadiovana ny lalana mankany Anosibe, ny lalana mankany Ampefiloha ary ny eny amin’ny faritra manodidina ny fantsona, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba.
Manentana ny mponina hanaja hatrany ny fahadiovan’ny tanàna sy ny lakandrano ny kaominina.

Tatiana A

Partager sur: