Dubai-Antananarivo: ho lasa in-6 isan-kerinandro ny zotra Emirates

Tsy mitsahatra mivoatra! Hitombo ho in-6 isan-kerinandro ny zotra fiaramanidina Emirates mampitohy an’i Dubai sy Antananarivo, mandalo atsy Mahe Seychelles, manomboka ny 2 avrily 2025 izao, raha in-4 izany ankehitriny. Nambaran’ny filoha lefitry ny fitantanan-draharaha Azia Andrefana sy ny ranomasimbe Indiana ao amin’ny kaompania Emirates, Essa Sulaiman Ahmad, omaly, fa nampiana zotra roa fanampiny isan-kerinandro ny isan’ny zotra, satria tsy mitsaha-mitombo ny filan’ny mpanjifa, hatramin’ny na­nombohana ny zotra mivantana Dubai-Antananarivo, mandalo Seychelles. Hampi­tombo ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Emirats Arabo mitambatra (EAU) izao satria hampiroborobo ny fiharian’ny orinasa sy ny mpandraharaha.
Nilaza ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), ny Dr. Ramonjavelo Valéry, fa «nohamafisina ny fifampitokisana eo amin’i EAU sy i Madagasikara, nanomboka ny febroary 2024, ka anisan’izany ny fampitomboana ho enina isan-kerinandro ny zotra ana habakabaka hataon’ny Emirates».
Ho an’ny minisitry ny Fiza­hantany sy ny asa tanana, i Dewa Viviane, « nitondra rivo-baovao ho an’ny fizahantany ny fisian’ny zotra mivantana avy any Dubai mankaty amintsika. Hampifandray firenena maherin’ny 140 amin’i Mada­gasikara. Tanjona ny hahatongavan’ny mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028 ».

Njaka A.

Partager sur: