Fanivaivana ny filoha Rajoelina Andry: hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles ny Tafika Malagasy

Tsy hilefitra amin’ny fanivaivana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny Foloalindahy. Hitory ny kolonely Andrianasoavina Charles izay nanao fanambarana tamin’ny Facebook ny Tafika Malagasy, araka izany.

Manoloana ny fanehoan-kevitra niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera nataon’ny Kly An­dria­nasoavina Charles, nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitry ny Foloalinda­hy, ny Jly Sahivelo Monja, omaly, teny Ampahibe. “So­ka­jianay ho firaisana tsikombakomba amin’ny fanakorontanana ny firenena izany”, hoy izy. “Mampisara-bazana tanteraka ny samy mpitandro filaminana izany ka tsy eken’
izy ireo velively”, hoy ity manamboninahitra jeneraly ity. Nanamafy ny minisitra fa sady fihantsiana no fanimbazimbana ny foloalindahy ilay fanambarana nataon’ny Kly Charles iny.
“ Manao tsinontsinona ny filoham-pirenena rahateo izany. Hametraka fitoriana eny anivon’ny Fitsarana ambony ny eo anivon’ny Tafika Mala­gasy. Miaramila niala an-daharana, nitsoaka nivoaka ivelan’ ny Nosy ny Kly Charles, ny taona 2021. Mamboly hevitra hampisarahana ny mpitandro filaminana sy hanakorontana ny saim-bahoaka izy tamin’ny alalan’io horonantsary na­voakany io”, araka ny fanazavan’ny minisitra hatrany. Nohama­fisin’ity farany fa mipetraka ho tandroka aro ny vozona, mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ny foloalindahy malagasy ka antony tsy haneken’izy ireo ny fanevatevana.
Fitaovam-piadiana
Tsy nisy ny famindrana na fanakalozana fitaovam-piadiana mavesatra avy ao anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandarimaria. “Efa nanara-maso ary hanara-maso izahay eto anivon’ny Tafika. Mila fanapahan-kevitra hentitra, indrindra fankatoavana avy amin’ny filoham-pirenena izany”, hoy ny minisitry ny Foloalindahy.
Ankilany, nanitsy ny vaovao navoakan’ny tranokala “Africa intelligence” koa, ny minisitry ny Foloalindahy momba ny filazana fa naverina an-dakazery avokoa ny miaramila rehetra fa misy mikononkonona fanonganam-panjakana. “Ny 11 janoary izay iray andro nialoha ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra no nisy izany”, hoy ny minisitra. Nametrahana ny filaminana tanteraka sy nanatontosana tamim-pitoniana ny andron’ny 12 janoary izay manan-tantara ho an’ny manamboninahitra.

Tsiferana R.

Partager sur: