Fiovana any ifotony: ilaina ny fananana trano kolotoraly

Manana kolontsaina sy zavakanto maro i Madagasikara. Mazana, anefa, ny hampahafantatra izany eo amin’ny sehatry ny firenena sy ny iraisam-pirenena no maha maika ny « mpanakanto ». Anisan’ny paikady ampiasaina maneran-tany, ahitana fivelarana haingana ny fiaingana any ifotony. Ho an’ny rafitra efa misy, tokony hisy trano kolotoraly ho fanandratana ny kolontsain’ilay toerana ny kaominina tsirairay eto Madagasikara. Ao amin’ireny trano kolotoraly ireny ho hamoahana ny kanto sy ny kolontsain’ilay toerana ho an’ny tanora. Izany hoe, tokony hisy efitra lehibe hanatanterahina fampisehoana. Efitra ho fanitaram-pahalalana amin’ny famakiana boky, sns.
Vitsy dia vitsy ny kaominina manana trano kolotoraly amin’izao vanim-potoana izao, raha ho an’i Madagasikara manokana. Any ivelany, anefa, vaindohan-draharahan’ny mpitantana ny manatsara na manangana azy ireny. Ao no miainga ny dian’ny ankamaroan’ny mpanakanto, satria, ahitana fampianarana maro (mozika, dihy, hira hosodoko,…) izy ireny.
Ilaina ny fananana trano kolotoraly isaky ny kaominina mba tsy hananan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy fototra matanjaka.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: