Governoran’Analamanga: “Tsy any amin’ny korontana intsony ny vahoaka”

Nitondra ny heviny manoloana ny hivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna rahampitso ny governoran’ Analamanga, Rasoamaro­maka Hery. Nambarany fa sakana amin’ny fampandrosoana ny savorovoro eto amin’ny firenena, indrindra fa ny eto Antananarivo Renivohitra. “Efa tsy mahataitra ny vahoaka na mahasarika azy intsony ny korontana. Ekena fa tsy tonga lafatra saingy hitan’izy ireo ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana “, hoy izy. Nohararaotiny koa anefa izany nanentanany sy niantsoany ireo tomponandraikitra mpitantana rehetra mba hiezaka sy hiasa amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filohan’ny Repoblika ka hahatsapan’ny vahoaka fa miantraika any amin’izy ireo izany “Madagasikara tsy maintsy mandroso izany”, araka ny nambarany hatrany. Tsy hampidina ny vidim-bary sy ny vidim-piainana ny korontana ary efa nisy zava-bita teto ka manantena ny vahoaka fa hahavita bebe
kokoa ny fitondram-panjakana. Notsindriny fa tsy maharesy lahatra intsony ireo mpanohitra ireo. “Zara raha manana olom-boafidy… Tena aoka izay ny fanakorontanana sy fitadiavan-tseza. Miandry ny fanjakana koa anefa ny vahoaka… “, hoy izy. Notsia­hiviny fa tsy mbola nisy mpanohitra ka nanaiky na afapo tamin’ny voka-pifidianana izany teto amintsika. Tsy maintsy mitabataba hatrany izy ireny amin’ny fisian’ny hala-bato na hosoka, araka ny nambarany. “Tsy sahy nanao fampitahana voka-pifidianana akory izy ireo satria efa fantany fa resy tamin’iny fifidianana iny”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: