Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Dikeledi tany avaratra, nitondra tohana ho an’ny olona traboina 900 ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (Unfpa). Nisy ny fanentanana isorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG). Nizarana fitaovana manokana koa ireo vehivavy teny amin’ny toeram-pandraisana.
Nitondra ny teny firariantsoa ho an’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa noho ny taona vaovao ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 sy ny «Blocs», ny fiandohan’ny herinandro teo. Nankasitraka ny minisitra ny solontenan’ny mpianatra. Manantena ny hitohizan’ny fandraisana andraikitra sy ny fifampidinihana ihany koa mba hanatsarana ny tontolon’ny anjerimanontolo.
Mbola mitoetra ny loza mitatao ho an’ireo faritra avo nametrahana saina miloko mena eto Antananarivo. Tao anatin’ny firotsahan’ny orana nisesy dia tena tandindomin-doza ireny toerana ireny. Mbola maro anefa ireo mponina mamahatra eny ary tsy mety hiala noho ny antony maro.
Nampahafantatra ny hopitaly manara-penitra eny Alakamisy Anosiala fa tsy anisan’ny marary tsaboina ao amin’izy ireo ilay zaza anaovana antso sy angatahana fanampiana izay miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera. Fisolokiana no iantsoana izany ary fanararaotana ny fahavoazan’ny marary, filalaovana ny toe-pon’ny olona ihany koa.