Jean Nirina R. : « Tsy miova intsony ny voka-pifidianana »

Tsy misy voka-pifidianana miova izany intsony eo fa lainga ny ankoatra izay, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari Malagasy, manoloana ny resabe miseholany etsy sy eroa momba ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Nambarany fa any amin’ny adihevitra momba ny tsy faneken’ny mpanohitra ny vokatra navoakan’ny Ceni ve ny resaka amin’izao? Mitondra mankany amin’ny fandrosoana ve izany? «Mendrika fandrosoana ny vahoaka malagasy amin’izao satria efa tena sahirana fa tsy variana amin’ny adilahy politika intsony», hoy izy. Amin’izao taona vaovao 2025 izao, tokony hanana toe-tsaina handresy hatrany isika fa tsy manao fampanantenana poakaty ho an’ny vahoaka, araka ny fanazavany. Manana andraikitra goavana ihany koa ny raiamandreny am-panahy amin’ny fitarihana ny vahoaka manoloana ny zava-misy eto amintsika, amin’izao fotoana izao. Misy ny olana maneran-tany satria mitombo izaitsizy ny isan’ny mponina, eo koa ny ady an-trano, ny hetraketraky ny natiora. Tsy afa-misaraka amin’izany rahateo koa isika eto Madagasikara. Miantraika mivantana eo amin’ny fiainan’ny mponina izany rehetra izany, araka ny filazany. Nohamafisiny fa fanamby lehibe hataony amin’ity taona ity ny hametraka akany lehibe hiahiana ireo tsy manan-kialofana indrindra ireo ankizy tsy misy mpiahy. Toy izany koa ny fanatsarana ny fokontany Anosizato Atsinanana. Eo koa ny fijerena ny lafiny maha olona indrindra ireo mponina eo anivon’ny fokontany.

Jean Claude

Partager sur: