Jiolahy raindahiny: maty voatifitry ny polisy i Tojohisoa sy i Avilahatsy

Nirefodrefotra ny basy tao Tanambao Verrerie ka hatrany ambadik’i Manangareza ny talata teo, nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny jiolahy sy ny polisin’ny centrale eo ambany fitarihan’ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoel Tsiky, tamin’ny alalan’ny UIR ary nampian’ny Fip, tarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules.

Nizara roa miavaka ireo polisy, ny talata teo. Satria, asan-jiolahy roa samy hafa no niseho. Ny tetsy Valpison, nitrangana fandrobana mitam-basy nahavoaroba lelavola 12 tapitrisa Ar ary ny faharoa ity fifanjevoana tamin’ireo andian-jiolahy tao Tanambao Verrerie ity. Nandritra ny fifampiresahana tamin’ny fianakavian’izy roa lahy tetsy amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe no nahalalana ny anaran’ireto tovolahy vao erotrerony avy any Toliara ireto. Ny anarany dia i To­johisoa, 20 taona, mpiambina orinasa iray ao Tanambao Verrerie, raha i Avilahatsy, 27 taona, ny faharoa, mpitondra posy. Tsy nanda na nanamarina kosa izy ireo raha jiolahy marina na tsia izy roa lahy lavon’ny balan’ny polisy.

Nohampangain’ny sary teo amin’ny akanjo
Raha hiverenana, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ny tranombarotra Ankirihiry, ny zoma 10 janoary teo. Dimy mianadahy ireto nanafika ireto, ny iray vehivavy niandry moto ny roa lahy niandry teo ivelany ny roa ambiny niditra nandrahona basy tao am-pivarotana. Nalain’izy ireo ny vola tao anaty baoritra iray ary nasesika tao anaty gony hatreo
amin’ny tapaky ny gonimbary 50 kg. Taorian’izay, nitsoaka ary nirifatra tamin’ny moto sady nanapoaka basy. La­tsaka kanefa ity farany rehefa teny am-pitsoahana.
Hitan’ny caméra de surveillance izany rehetra izany ka nanao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana. Nisy nahatsikaritra ny tovolahy iray mbola manao ilay akanjo, ny talata teo, teny Tanambao Verrerie, natao ny fitsongoan-dia, teo am-piomanana fanafihana mitam-piadiana hafa indray izy ireo. Niantomboka teo ny fifanjevoana niafara tamin’ny fahafatesan’izy roa lahy ireo.

Sajo/J.C

Partager sur: