Nanao fanambarana, tamin’ny alalan’ny horonantsary anaty tambajotran-tserasera, ny manamboninahitra misotro ronono, ny Kly Andrianasoavina Charles, omaly. Nambarany tamin’izany fa zana-bahoaka koa ny mpitandro filaminana. “Tsy afaka ny hamono ny vahoaka sy ny raiamandreninay na ny havanay izahay. Efa nitaizana anay fa avy amin’ny vahoaka izahay ka miverina amin’izy ireo ihany”, hoy izy. Nanteriny fa valin-kafatra amin’ny manamboninahitra misotro ronono, ny Jly Ravalomanana Richard, izany.
Nahagaga azy ny nitenenan’ny filohan’ny Antenimierandoholona fa tsy haharesy ny miaramila izany ny vahoaka. Midika fampiadiana izany ka tsy azo ekena ary nanehoany fahavononana ny hiarovany ny ray aman-dreny sy ny vahoaka, araka ny nambarany.
Nohamafisiny sy nanaovany antso avo amin’ireo manamboninahitra lefitra sy manamboninahitra mitovy aminy fa natao ho an’ny tanindrazana izy ireo : “Tany sy ny vahoaka ny dikan’izany”, hoy ihany izy.
Niantso fahatsapahan-tena avy amin’ny mpitondra ny tenany. Tsy tokony hosakanana koa ny handehanan’ny vahoaka eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, nitodika tany amin’ny Prefet ny tenany ny hampitsaharana ny fanomezana baiko isaky ny mihetsika ny Emmo/Reg amin’ny alalan’ny OMC. Ity farany izay nohamafisiny fa efa lany daty.
Synèse R.