Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, omaly, ny fanambaran’ny kolonely iray izay efa mitsoa-ponenana. Nitaona ny miaramila hikomy sy hanohitra ny fitondrana izy. Nanontsana ny mpanao politika ingahy manamboninahitra. Nilaza ho mpanavotra an’i Madagasikara. Namaky bantsilana ny fifanarahana nifanaovany tamin’izany fotoana. Dia toa anjely tsy misy pentina ny filazany azy.
Manolona izany, namaly bontana ny minisiteran’ny Foloalindahy, nilaza ny haka fepetra mifanaraka amin’izay fihetsika izay. Hametraka fitoriana izy ireo. Tsy hitazam-potsiny ny fanjakana fa hiditra amin’ny dingana ambonimbony kokoa. Mbola tsy nivoitra ny antsipirihan’ny fepetra horaisina satria dia ny filoha faratampon’ny Foloalindahy mihitsy no voaivaiva.
Samy nanana ny nandraisany azy ny olom-pirenena malagasy. Nisy ny nankasitraka sy taitaitra, nientanentana teny amin’ny Facebook. Misy koa anefa no tonga dia nivoy ny maha tsy mendrika ilay mpanao fanambarana satria tsy misy fanajana sy fanaovana “loham-boto”. Ny mpitondra izay nahatsapa ho narary sy ho nalam-baraka moa dia iny mandrangaranga fanasaziana iny.
Midika inona izany rehetra izany? Mila fifohazam-panahy sy fahatongavan-tsain’ny vahoaka madinika ny zava-mitranga, ankehitriny. Mahatonga saina avokoa ny avy amin’ny andaniny sy ny ankilany, izay heverina fa samy baikon’ilay “Ho an’ny Tanindrazana” avokoa. Iza tokoa no haniry ratsy an’ity Madagasikara malalantsika ity? Ny fanehoan-kevitra no mety samy manana ny azy.
Vanim-potoana tsy maintsy hanana ilay fanahy mahay mandanjalanja izao. Aiza ny lalan-kizorana mba hiadam-pinaritra ny ambanilanitra sy ho tany sambatra tokoa ilay Madagasikara soa. Na izany aza, tsy tokony ho hadino fa efa latsaka an-katerena ny firenena, ka tsy mila korontana intsony.
r.r