Manoloana ny raharaham-pirenena, mitondra ny heviny, Ralison Roger, mpiratirika ny vondrona Hery politika mitambara (HPM). “Tsy hanao fifidianana ny anay hatramin’izany, fa hoe: ahoana ny hahazoana manova ny fitondrana hahazoana miaro sy mametraka ny vahoaka ho tena tompon’ny fahefana? Tsy ireny nataon’ny kandidà 11 (C11 ) ireny ny fomba fitolomana”, hoy izy naneho ny heviny. Namaly ny fiantsoan’ny RMDM ny fampitambaran-kerin’ny mpanohitra izy.
”Ahoana ny hahazoana mamondrona ny hery rehetra mpanohitra? Hajoro ny departemanta politika izay Tsimialonjafy. Na mpanao politika, na sendikà, na firaisamonina sivily…”, hoy hatrany izay. ”Amin’izany no mikaondoha sy manao ny dingana hitondrana fanovana eto amin’ny firenena. Hialana amin’ny fiadiana ho lohany izany. Izay fananganana departemanta iray toy ny tamin’ny Hery velona Rasalama 1991 izay no fepetra hahombiazan’ny tolona. ”, hoy ity mpanao politika ity nizara ny fomba fijeriny.
R. Nd.