Nangalatra 4×4 Land Cruiser: efa-dahy nalefa eny Antanimora

Voasambotry ny zandarimaria ireo dimy lahy tompon’antoka tamin’ny halatra fiara tsy mataho-dalana teny Ivato, ny 5 janoary teo. Naharay fitoriana avy tamin’ny tompon’ny fiara marika “Toyota Land Crui­ser” ny zandary eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ankadindra­vola, tamin’io andro io. Nanao fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa fantatra ny toerana nahitana farany ny fiara. Dimy lahy voasaringotra ta­min’io raharaha io. Tom­pon’anto­ka ny mpamily izay efa mpampiasa ny fiara. Nanao­vany fanalahidy nanana dika mitovy io fiara io ka nanamora ho azy ny fangalarana izany. Ni­fandimbiasan’izy dimy lahy nentina, araka izany, ilay 4×4. Nampiasain’izy ireo antsokosoko ny fiara. Niaraka tratra ireo olona dimy ireo. Tsy nisy nan­da, samy niaiky heloka ho na­nao io halatra io izy ireo. Voa­porofo tamin’ny alalan’ny famotorana nataon’ny zandarimaria fa ilay mpamily tokoa no atidoha. Naverina amin’ny tompony ny fiara. Natolotra ny fampanoavana izy dimy lahy. Nahazo fahafahana vonjimaika saingy arahi-maso ara-pitsarana ny iray. Nalefa eny Antanimora ireo efa-dahy.

Tsiferana R.

Partager sur: